4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fahoriana - Henri ratsimbazafy

Ny fiainantsika olona
dia toy ny voninkazo
anio mamololona
rahampitso dia halazo
Raha tiana ho ranjanana
ka irina mba ho soa,
tsy maintsy ho rantsanana
mba hamokatra kokoa.


Ny tany voasoroka
ka navaina tsy ho mafy
no mainka mamparoroka
irony voa izay nafafy.
Ny orana milatsaka,
ny masoandro be migaina,
no miasa ahamasaka
ny voankazo an-jaridaina.


Ny vy tiana haranitra
dia velezina, asaina,
fa hain'Andriamanitra
ny mandranitra ny saina
Isika izay voahariny
dia tiany mba hizatra
ka toroiny sy anariny
amin-javatra mihatra.

Ref.
Nv faboriana izay midona
no misedra ny fanahy
ka raha mijoro tsy mirona
izay vao tena lehilahy.

Partager ny fahoriana

Commenter ny fahoriana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite